Acts 10

1Ary nisy lehilahy iray tao amin’ny tananan’ny Kaisaria, atao hoe Kornelio, kapitenin’ireo antoko Miaramila Italiana. 2Lehilahy mpivavaka izy, ilay iray izay midera an’Andriamanitra miaraka amin’ny ankohonany rehetra; nanome vola betsaka an’ireo izay tao anatin’ny tsy fahampiana izy, ary nivavaka mandrakariva tamin’Andriamanitra.

3Nanodidina ny tamin’ny ora faha sivy maraina teo ho eo, nahita mazava tamin’ny fahitana anjelin’Andriamanitra nanatona azy izy. Ilay anjely niteny taminy hoe: “Ry Kornelio!” 4Kornelio nibanjina ilay anjely ary tena raiki-tahotra ka niteny hoe: “Fa inona ity, tompoko?” Ilay anjely niteny taminy hoe: “Ireo vavakao sy ireo fanomezanao ho an’ny mahantra dia tafakatra ho fanati-pahatsiarovana eo anatrehan’Andriamanitra. 5Ary maniraha lehilahy hankany amin’ny tanànan’ny Jopa mba haka ilay lehilahy iray atao hoe Simona izay antsoina hoe Petera. 6Mipetraka miaraka amin’ny mpandoko hoditra antsoina hoe Simona izy, izay eny amoron-dranomasina ny tranony. “

7Rehefa lasa ilay anjely izay niresaka taminy, dia niantso ny roa tamin’ny mpanompony tao an-trano i Kornelio, ary miaramila mpivavaka iray tamin’ireo izay nanompo azy. 8Kornelio nilaza tamin’izy ireo izay rehetra nitranga ary nandefa azy ireo tany Jopa.

9Ary ny ampitso nanodidina ny ora faha-enina teo, raha mbola teny an-dalana izy ireo ka nanatona ny tanàna, dia niakatra teny ambony tafon-trano i Petera mba hivavaka. 10Nanomboka niha-noana izy avy eo ka nitady zavatra ho hanina, kanefa raha mbola teo am-pandrahoana sakafo ny olona, dia nahita fahitana izy, 11ary nahita ny lanitra nisokatra izy sy fitahirizana iray nidina, toy ny lamba be midina ety an-tany, ampidinina amin’ny zorony efatra. 12Tao no nisy karazam-biby manan-tongotra efatra sy zavatra izay mandady rehetra eto an-tany, ary ny voron’ny lanitra.

13Dia nisy feo niteny taminy hoe: “Mitsangàna, ry Petera, mamono ary mihinana.” 14Fa i Petera niteny hoe: “Tsia, Tompo; fa mbola tsy nihinana zavatra izay voarara sy tsy madio mihitsy aho.” 15Saingy tonga taminy fanindroany indray ilay feo hoe: “Izay nodiovin’Andriamanitra, dia tsy antsoina hoe fady.” 16Niseho in-telo izany; ary avy eo ilay fitahirizana dia niverina niakatra teo no ho eo tany an-danitra.

17Ary rehefa very hevitra momba ny dikan’ilay fahitana izay hitany i Petera, dia indro, ireo lehilahy izay nalefan’i Kornelio nitsangana nanoloana ny vavahady, avy eo izy ireo dia nanontany izay lalan’izy ireo mankao an-trano. 18Dia niantso izy ireo ary nanontany an’i Simona, nantsoina ihany koa hoe Petera, izay nijanona teo.

19Raha mbola nieritreritra momba ilay fahitana i Petera, dia niteny taminy ny Fanahy hoe: “Indro, lehilahy telo no mitady anao. (Fanamarihana: Ny amin’ny dikan-teny taloha dia hoe: “Lehilahy roa no mitady anao” na “misy lehilahy sasan-tsasany mitady anao.) 20Mitsangàna ary midina ka miaraha amin’izy ireo. Aza misalasala miaraka amin’izy ireo, satria izaho no nandefa azy ireo. 21Ary Petera nidina tany amin’ireo lehilahy ireo ka niteny hoe: “Izaho ilay tadiavinareo. Inona no antony nahatongavanareo?”

22Hoy izy ireo hoe: “Ny kapiteny antsoina hoe Kornelio, lehilahy marina ary olona izay midera an’Andriamanitra, ary tsara laza any amin’ny firenen’ny Jiosy rehetra, izay nolazain’ny anjely masin’Andriamanitra mba hampaka anao ho any an-tranony, noho izany dia afaka mihaino ny hafatra avy aminao izy.” 23Dia nanasa azy ireo hiditra sy hijanona hiaraka aminy Petera. Ny ampitso marainan’iny dia nitsangana izy ka niaraka tamin’izy ireo, ary ny sasany tamin’ireo rahalahy avy any Jopa dia nanaraka azy.

24Ny andro manaraka dia nankao Kaisaria izy ireo. Kornelio dia niandry azy ireo; nantsoiny niaraka ny havany sy ny namany akaiky.

25Ary tamin’izany rehefa niditra Petera, nifankahita taminy i Kornelio ary niankohoka teo an-tongony mba hidera azy. 26Fa Petera nanampy azy, niteny hoe: “Mitsangàna! Izaho ihany koa dia olona ihany.

27Raha mbola niresaka niaraka taminy i Petera, dia niditra izy ary nahita olona maro be niara-niangona. 28Hoy izy tamin’izy ireo hoe: “Ny tenanareo mahalala fa tsy ara-dalana ho an’ny Jiosy ny miara-miasa na mamangy olona avy amin’ny firenena hafa. Fa Andriamanitra naneho tamiko fa tsy tokony hiantso olo-pady na tsy madio aho. 29Izany no antony nahatongavako tsy nisy fanakantsakanana, rehefa nirahina Aho. Ka manontany anareo Aho hoe nahoana ianareo no maniraka ho ahy.”

30Kornelio niteny hoe: “Efatra andro mialohan’izao ora izao indrindra, dia nivavaka tao an-tranoko aho tamin’ny ora fahasivy; ary nahita, lehilahy iray nitsangana teo anoloako nanao akanjo namirapiratra. 31Hoy izy hoe: ‘Ry Kornelio, efa ren’Andriamanitra ny vavakao, ary ireo fanomezanao ho an’ireo mahantra dia mampatsiahy an’Andriamanitra ny momba anao. 32Noho izany dia maniraha olona ho any Jopa, ary antsoy mankany aminao ilay lehilahy atao hoe Simona izay antsoina hoe Petera. Mipetraka ao an-tranon’i Simona mpandon-koditra antsoina hoe: Simona izy, izay eny amoron-dranomasina.’ (Fanamarihana: Ny dikan-teny taloha dia manampy hoe: “Rehefa tonga Izy, dia hiresaka aminao.” 33Ary avy hatrany dia nalefako ho anao. Tsara ny fahatongavanao. Ary ankehitriny, isika rehetra tonga eto imason’Andriamanitra, mba hihaino ireo rehetra izay nolazain’ny Tompo anareo no tenenina.” (Fanamarihana: “Raha tokony ho: “nolazain’ny Tompo no tenenina” no eo, dia ny dikan-teny taloha dia hoe: “nolazain’Andriamanitra no tenenina.”)

34Avy eo dia nanokatra ny vavany Petera ary niteny hoe: “Marina tokoa, fantatro fa Andriamanitra dia tsy miandany na amin’iza na amin’iza. 35Fa kosa, any amin’ny firenena tsirairay na iza na iza no midera sy manao asa marina dia ekeny avokoa.

36Fantatrareo ilay hafatra izay nalefany ho an’ny olon’Israely, rehefa nanambara filazantsara momba ny fiadanana avy amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy izy, izay Tompon’ny rehetra- 37Ianareo tenanareo dia mahalala ireo zava-niseho, izay tena nitranga tao amin’ny toerana rehetra tao Jodia, nanomboka tany Galilia, taorian’ny batisa izay nambaran’i Jaona; 38ireo zava-nitranga mikasika an’i Jesosin’ny Nazareta, ny fomba nanosoran’Andriamanitra azy tamin’ny Fanahy Masina sy tamin’ny hery. Nandeha nanao soa izy sady nanasitrana ireo rehetra izay voagejan’ ny devoly, satria Andriamanitra dia niaraka taminy.

39Isika dia vavolombelon’ireo zava-bitan’i Jesosy rehetra, tany amin’ny tanin’ny Jiosy sy tany Jerosalema. Novonoin’izy ireo izy tamin’ny alalan’ny fanantonana azy teo amin’ny hazo, 40fa Andriamanitra nanangana azy tamin’ny andro fahatelo ary nanao izay hahitana azy, 41tsy ireo olona rehetra, fa ireo vavolombelona izay voafidin’Andriamanitra mialoha- tamintsika izay nihinana sy nisotro niaraka taminy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty.

42Nandidy anay izy mba hanambara amin’ny olona sy hijoro vavolombelona fa izy ilay iray nofidin’Andriamanitra ho Mpitsaran’ny velona sy ny maty. 43Ho azy no hijoroan’ny mpaminany rehetra vavolombelona, mba ho ireo izay mino azy no handray famelan-keloka amin’ny alalan’ny anarany.

44Raha mbola niteny izany zavatra izany i Petera, dia nilatsaka tamin’ireo rehetra izay nihaino ny hafany ny Fanahy Masina. 45Ireo olona tao anatin’ny vondron’ny mpino voafora- ireo rehetra izay niaraka tamin’i Petera- dia gaga, satria ny fanomezan’ny Fanahy Masina dia narotsaka ho an’ny Jentilisa ihany koa.

46Fa ren’izy ireo ireo Jentilisa izay miteny amin’ireo fiteny hafa sy mankalaza an’Andriamanitra. Dia namaly Petera hoe: 47Moa ve misy olona afaka mitazona rano mba tsy hanaovana batisa azy ireo, ireo olona izay nandray ny Fanahy Masina tahaka antsika koa? Dia nandidy azy ireo mba ho atao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy izy. Ary nangataka azy izy ireo mba hitoetra hiaraka amin’izy ireo mandritry ny andro vitsivitsy.

48

Copyright information for PltULB